KISAN-JAZA (Elinivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba halako ry Neny ny mahita ireny zaza
Sendra mba tantanan- dada
Sy mahazo izay tadiaviny
tsy lefitro ny rabiny.

Fa mba ilay hoe Dadako iny izao?
Ny nahitako azy farany
Ilay izy niebo teto hoe nahazo :zanaka vaovao:
Miangatra izy, f'izaho angaha tsy zanany?

Izany kosa ve ho rariny
Fa na ilay zandriko fiaronao fa tsy manan-tsiny
Nefa niverina ange Dada raha tsy nisy an'iny e
ho inoko, ny Dadako aza nangalariny.

Ianao koa ry Neny, noho ianao no nandehanany
Izaho no tsy hanan-dray noho ny hadalanareo
Tia tena ianao, tianao ho zanakao aho fa tsy zanany
Dada izao no ilaiko fa neny zany mankaleo.

Aza tambazana aho, hanaporofoina hoe tiana
fa raha hendry ianao, i Dada hampodiana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - fiainana
954 8
Hevitra mandeha
hery ( 12/04/2016 17:47)
Nahaliana ahy fa be mpakafy.
Ady sain'ny zaza misara-dray aman-dreny tokoa io an.

Misaotra anao mitondra ny hafany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Elinivo
Nampiditra : Elinivo
Daty : 03/04/2016 04:39
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137