mailaka (ERINAINA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAILAKA
Diniho ange malala
ity voninkazontsika ,
adala manadala
tsy loatra dia fahita

jereo ange ry lala :
ny azy indray ny hatsiaka
no mainka manambara
fa izy dia sariaka

izy aloha dia tsara ,
kanefa aky mahavaka
ity izy ilay rarĂ na,
vao mainka tsara faka
ilay molontsika omaly
nifampitohaka iny,
no vao nangady tany
natokana haniriany
kenefa he androany :

ny rantsanao nandady
namihina ahy maharitra,
no nampiresaka azy
hoe, tsara be ny lanitra

ka vaky teo ny masony
izay antony aloha antony
f'izaho aky ry tiako
manahy ny mety hakantony
havoaka izay hampitso
ka eo raha azo atao :

hafarako ihany ianao,
tsara ny misangy
saingy ratsy raha maha dangy
...RAS VARATRA
--------
Rohy:
536 1
Mpakafy: rasvaratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ERINAINA
Nampiditra : rasvaratra
Daty : 24/12/2019 04:52
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103