Tsy tanim-pahoriana - Esther Randriamamonjy
Ry olo-mitomany
Misentosento lava,
Milaza fa ny tany
Feno haizin-tsy misava !
Moa marina e izany ?
Moa tena fahoriana
No hita hatrany hatrany,
Fa tsy mba fifaliana ?
Ry olo-mitomany,
Mitrakà vetivety :
Dinihonao ny tany
Miravo sy mifety !
'Reo tendrombohitra avo,
Havoana marobe ;
Ny vato mena, mavo,
Tsy tena kanto ve ?
He' rony koa ny ala,
Indreo ny renirano ;
Moa mampisalasala
Fa tsara ireo ? … Tazano !
Jereo ny zaridaina,
Todiho ny lohasaha ;
Tsy faly ve ny saina ?
Endrey maha te hizaha !
Ireo izay nambolena
Dia vokatra isan-taona.
Salama koa ny tena ;
Nahoana no hisaona ?
Tsy tanim-pahoriana
'Zao tanintsika izao !
Vonoy ny hakiviana ;
Ho sambatra ianao !
Fotoana isentoana
Tsy betsaka tsy akory ;
Minitra vitsy foana
Dia lasa ny mahory !
Ny ora maro sisa
Dia feno fitahiana,
Koa zovy no hanisa
'Reo poti-pijaliana ?
Hevitra mandeha
rfanomezantoky (24/09/2019 12:03:57)
Marina izany, indraindray koa mantsy ny finoana fa tanim-pijaliana ny tany no mahatonga azy ho toy izany tokoa
Mombamomba
Mpanoratra : Esther Randriamamonjy

Nampiditra : jantina
Daty : 09/08/2019
Mpamangy : 709
Mankafy : 2