DIARY (ETOILE DU BERGER JR.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ventesiko mangina ato anaty,
ho tsiaro an-tsaiko mandramaty.
Ny fisianao teo amin'ny fiainako.
Izay nanaiky nihaino ny fitarainako.

Vetsoiko an-tsoratra ho diary,
Narakitro ho takelaka an-tsary.
Mba tsy ho adino ny tantara,
hotantaraina any afara

Zary tantara mantsy sisa,
Tsy nisy ny hamisavisa,
fa niafara tamin'ny fisarahana.
Satria ny materialy no nibahana.

Tsy maninona fa fiainana izany,
fa tsy ho ritra tsy ho lany,
ny ranomaintiko hanoratana indray
izay diarim-piainako rahatrizay.
--------
Rohy:
20 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ETOILE DU BERGER JR.
Nampiditra : harry's
Daty : 02/05/2026 18:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0157