Hafatra ho anao tanora (Eugene.lR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA HO ANAO TANORA
1.Raha mby am-pamelanana irony vahon’ny
ririnina ;
Indro tsapako sahady izany hatsiaka hobanjinina,
Hirifiry sy fanala mampitofezaka ny sandry
Tsy mahakivy anefa izany, ny lohataona efa
miandry.
2.Raha vita ny indray mihodina ho an’ny
famataran’ora
Injao ny alina manomboka misoko moramora
Dia tebiteby sy ahiahy no tsy maintsy hosedraina
Manantena koa anefa fa ho avy ny mariaina
3.Ary hianao ry Gasikara izay manatrika ady mafy
Ireto zanakao miady, mifamono, mifandrafy
Izay ambony toa manindry ireo kely mahonena
Moa mbola antenaina ho azonao ny fandresena?
4.Ry Tanindrazako malala, ry ilay Nosy mamiko
Ho azonao ny fandresena fa ireo tanora dia
hoentaniko
Mba hijoro hanasoa, hanangana andry vaovao
Ka izay rehetra tojo ahy dia holazaiko toy izao:
5.Ry tanora malagasy anananao ny fahefana,
Eo am-pelatananao ny hery koa mivonôna
mitsangana!
Aza mety ho ambaniana fa jereo ny tanindrazana
Katsaho izay ho fandrosoany, mafisa fo, hidio ny
vazana
6.Fa aza dia variana loatra amin’ny ditra sy
hadalana
Ireo revy samihafa hatramin’ny fandikan-dalana ;
Izay heverina fa any no ahitana fiadanana
Tanora ô! Miverena ndrao ianao dia diso lalana
7.Ady lava sy korontana todiho kely ny tantara
Dia ho toy izany foana ve no hiainan’ireo fara?
Ny zava-misy ankehitriny fifandirana ara-tsaina,
Nankaiza ilay firaisan-kina namidy ve sa very
maina?
8.Manjaka ny fitiavan-tena hita lany ny tsy
filaminana;
Samy maka ho azy ireny, mifambabo, mifaninana!
Moa mba tsapa hoe henatra, sa heverina ho laza
Hoe mba toy ny any ivelany miaina anaty
tabataba?
9.Ireo vahoaka mba nitaky sy naneho fa manan-jo;
Voasingtr’aina ankitsirano tsy mba namindrana fo
Zovy no afaka hanonitra ireo rà tsy manan-tsiny,
Ka hahafoy ho azy ireny sy hanome izay niriany?
10.Ary izato fahantrana resahina ombieny ombieny
Mitaraina avokoa tsy ray, tsy zanaka, tsy reny;
Aiza ihany ny hazavana aiza izay mba fandresena,
Dia izay sahy maty foana ve no hifono
lambamena?
11.Mihamihanaka ny halatra satria be ny risoriso
Ny harenantsika voasoloky, hanahoana ny ho
ampitso?
Ny ambony ihany no misondrotra fa ny ambany
dia voahitsaka
Valala an-karona indrisy efa voahozona hifanipaka!
12.Izany rehetra rehetra izany sy izay tsy voatanisa
No miandry anao tanora koa samia mamisavisa!
Ny fiandrianam-pir enena ary koa ny filaminana,
No ataovy tarigetra fa aza ilaoza-mifanina na!
13.Ka rehefa tratranao ny tanjona, rehefa azonao
ny toerana
Ny adidy izay nianianana, tanteraho fa aza ferana;
Dia hilazanao Gasikara hoe azonao ny tsara
indrindra,
Tsy hiankin-doha intsony hianao fa hampianariko
hamindra.
--------
Rohy:
2062 1
Mpakafy: EugenelR
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Eugene.lR
Nampiditra : EugenelR
Daty : 24/10/2013 06:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139