Intsony no hitomany (EZK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Intsony ny vavako raha hiangavingavy foana
Ny hitalao sesilany tsy hita fiafarany
Intsony no hibaboka, hitomany manoloana
Bongo maso fahantany,
ny maso mena maavany
Nefa tsy hitanao...

Intsony no hilaza 'lay teny manan-danja
Ny hamerina indray 'lay teny tokana iray
Intsony no hamerina zay efa saika tsy voalaza
Ny hitadidy indray fotoana nilazako 'lay
Hoe:"Tiako ianao"...

Intsony aho no handefa hafatra voaloha
Ny fahana isan'andro nabosesiko tsy tana
Intsony no isera an-tariby ihany koa
Fanaterana isan'andro tsy maalavitra tanĂ na
Tsy nosaininao akory...

Intsony aho no hanoratra ny diary volamena
Natao kanto mankadiry sy noangaliko fatra
Intsony no hisalotra 'lay loko menamena
Ranomasoko fahiny avy amin'ny fo maratra
Fa efa lasa ireny...

Intsony no hanenina na himalo sanatria
Ny hilaza fa fitia toa noforonina ihany
Intsony no hijaly fa dieny zao dia mifalia
Fa ny antsika kosa kia mifarana eto izany
Misaraka eto isika...

Intsony no hamerina 'reo dina lokaloka
Ny voadin'ny fitia tsy misy toa izany
Intsony no hiverina hanome 'reo dokadoka
Indrisy fa ny antsika nisy fetrany ihany
F'izay vao hifandao...
Veloma vetivety...

Intsony...no hitomany
(20/12/17) EZK
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
742 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : EZK
Nampiditra : Ezakasetra
Daty : 31/12/2017 18:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135