fasako (F.R.A)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fasako

Dongon-tany ambanin-drangolahy
Izay nampitomany sy nampiahiahy
Io no itoerako rahatrizay
Io no fonenako mandrakizay

Toera-mangina iny fasana iny
Itoeran’ny vinan’ ilay mpivahiny
Tsy azo idifiana nefa toeran’ avelo
Tobin’ny fahoriana indrindra ny alahelo

Mitana ireo embona sy ireo tsiahy
Entin’ny velona miahiahy
Mitana ireo tsiambaratelo taloha
Sy ireo alahelo mameno ny loha

Ireo voninkazo mameno ny fasako
Dia toy ny hazo maneho ny lasako
Ravahan’ny fotoana ny tota ny ela
Nefa itiavako azy foana izay sisako tavela

F.R.A.
Faneva Raony Andrianiony
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
390 1
Mpakafy: F.R.A
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : F.R.A
Nampiditra : F.R.A
Daty : 20/10/2019 09:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016