NY RAY AKAIKY HATRANY (Falitokiniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao miposaka maraina izany masoandro,
Dia ilay tara-pahazavana no iny hampiray.
Dia irina hatrany mba ho soa ilay andro,
Hahazo ny anjara masoandro ny tsirairay.

Mandalo an-tsaina ireo lasanay toa vao omaly,
dia fitsimbinana avy amin-dRay akaiky izany.
Ny anio na ny ampitso dia ataovy toy ny omaly,
dia ny hampamenatra anay mpanotanao izany.

Hitanao re ny momba anay rehetra,
Voasoratra, tsy ho atoro anao akory Ray.
Fombanao hono ny tsy mitaredretra,
Mba tohano, tazony, tefeo, ampaherezo izahay.
--------
Rohy:
937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Falitokiniaina
Nampiditra : Falitoki
Daty : 06/03/2014 18:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141