Andramo eo àry!!! (Ankoay Mitia Mikolohasina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo ny marina tsy ho afeniko, ary sao koa dia ho neniko
raha toa ka tsy voateniko
satria izaho mahalala, fa tsy hahasoa r'ikala
ny haningana ao am-bala
Ka ho atao dian-dambo, ity fitiavan-dranotrambo
mety hiteraka atambo
Ianao miteny hoe: "tia" nefa ny lalantsika akia
efa havanana sy havia
k'avy hatrany dia foano sao dia ahitana angano
f'isika samy an-tokantrano
Tsy nekenao nefa izany, fa ny andao andao ihany
no nataonao sesilany
Angaha izany kilalao? ka ny teniko d'izao
fampitandremana ho anao
Raha toa ka miamboletra sy manao an-terisetra
dia hihoarako ny fetra
raha toa ka tsy ho tana, sy tsy azoko raràna
dia anamparako filàna
ka aza omena tsiny aho, raha tsy hitsitsy anao
sy hanao izay tiako atao, amin'izato vatanao
na ambony na ambany, f'izay no mety ho fiafarany
Ataovy ihany ange e! nefa ... enga anie!!!
--------
Rohy:
1433 1
Mpakafy: tokym
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ankoay Mitia Mikolohasina
Nampiditra : famaky
Daty : 03/06/2013 06:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135