Ilay fitiavantsika (Fanafody)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro aho nilaza taminao fa andeha ka tsy hiverina intsony
Nitsiky ianao ka niteny tsotra hoe zory ny lalanao ka aza miheritreritra akory
Nangina aho ka nifidy fiainam-baovao
Hay moa izy ity tsy hafa fa kilalao
Lasa ny volana nifandimby koa ny toana
Ny fahatsiarovana anao anefa tsy lavitra fa teo foana
Nefa efa nailikao ka ho aiza moa !!!

Indray andro enao niverina toy ny taratra hazavana
Feno tsiky indray ny fiainako satria ianao nitondra hafanana
Ankehitriny anefa efa hafa indray ny lalana nofinidy
Ka tsy maintsy andaho anao na ho mamy na angidy
Tsaroanao ve ireo tsiky sy ireo alahelo nolalovantsika?
Tadidinao ve ireo voady rehefa tonga any hatsika

Indrisy mantsy fa fahatsiarovana sisa ireny
Atao ahoana anefa ny andaho anao ka tsy hiteny
N’aiza n’aiza no alehako dia mbola ianao irery
Satria ny endrikao ihany no mba itako rehefa iny aho mba mijery

Atao ahoana koa moa ny anova ny lasa niarahana
Asa moa izany angamba no atao hoe tena fitiavana
Ankehitriny anefa toa nofy sisa izany mba ho eo anilanao
Fahatsiarovana sisa ireo tsikitsikinao

Tsy andray ny tananao intsony rehefa sendra aloka mandalo
Tsy mba mpifakatia nefa koa tsy fahavalo
Tsy ho neniko anefa ny lasa,na lavitra aza aho
Afeniko ao anatiko aho ireny rehetra ireny ka ho tsiambaratelo
Hanafana ahy rehefa andro ririnina
Mba ho solonao na dis tsy mba azoko fihinina

Tsy hoe manadino anao aho raha toa ka tsy manome vaovao
N’aiza n’aiza no alehako tsy ho sasa miandry aho
Tsy maintsy mbola hiverina aho eo anilanao
Ka na lasan’olona aza ianao tsy maninona izany
Ny fahatsiarovana dia ampy ahatsiarovako ilay fitiavana mamy

Ka mba tsarovy aho indray andro any
Tsarovy ilay fitiavatsika toy ny mofo mamy
Fitiavan’ankizy toa fitiavana adala
Kanefa izaho sy ianao ihany no afaka ahalala…
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanafody
Nampiditra : Fanafody
Daty : 21/01/2013 21:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153