DIAPENIKO (Fanantenana niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity diapeniko ity
dia atolotro ho anao
hanambarako ilay fitia
izay miredareda anatiko ao

tsy hay kobonina intsony
ka dia aborako aminao
satria babonao ny fony
fa fitia tsy kilalao

fa isika olom-belona
dia toy ny ladim-boatavo
ka miaraka mivelona
ary miaraka malazo

koa raha samy halazo ihany
tsy aleo ve mifankatia
samy hiala eto an-tany
tsy aleo ve miara-dia

ka diso ary ve aho
raha mitory ilay fitia
izay atolotro ho anao
tsy rerdiredy sanatria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1091 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanantenana niaina
Nampiditra : niaina07
Daty : 08/09/2013 14:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156