Ry taniko (Faniry RABEHANITRINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankehitriny aho dia manoratra hoanao,
Tsy fantatro ts’inona ny ora andaozako anao.
Ka raha toa vinakinao ity taratasiko ity,
Tsarovy f’izaho mety efa tsy ety.

Raha nandinika ao manko toa hitako izao
Ny fandrosoana nomen-draolombelona anao,
Asa na mankany amin’ny tsara na makany amin’ny ratsy!
Fa aleo aloha andeha dia ho hitantsika atsy ho atsy.

Fa ity no zavatra tena mahavariana,
Vao mianga isika dia efa tsinjo ny aoriana.
Kanefa isika toa variana ny ankehitriny
Ka rehefa samy voa aza mifanome tsiny.

Ny tiako lazaina anao dia izao,
Fiainana ity lehiretsy ka andao
Ho tsinjovina ny hoavy hoan’taranaka amam-para
Satria hiaraha mahalala fa ny tantara no hitsara.

Ry taniko! Lalaiko sady mamiko,
Teto no nanorenako izay mba hoaviko.
Noritinao anefa ny ra ao am-poko,
Tsy namelanao raha tsy levona hatramin’ny nofoko.

Vita hatreo ary izao ny momba ahy,
Ny vatako voatelinao fa tsy mba ny fanahy.
Isaorako ilay Nahary nandritra izay fotoana.
Mitsodrano anao aho ry tany dia mandrampiaona.

Faniry,01/09/2021
--------
Rohy:
Sokajy : embona
343 1
Mpakafy: faniry20
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Faniry RABEHANITRINIONY
Nampiditra : faniry20
Daty : 01/09/2021 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133