NY FITIAVAKO (Faralisy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarobidy loatra tamiko
Ka hofintiniko an-tantara
Tsy nariako satria mamiko
Nikatsaka ahy ho anjara

Mpianatra aho tamin'izay
Tao amin'ilay Lycée
Dia nisy zazalahy iray
Te hiresaka amiko izy hoe: "..."

Tamin'izay aho dia sahirana
Fa inona ary ity ho lazainy?
Hay zany endriko rehefa mirana
No tena tsy afaka ao an-tsainy

Dia samy teny daholo aloha
Ahoana akia razazavavy?
Raha tsy te harary an-doha
Dia ny "ENY" no amalio azy

Tsy mba sasatra izy anefa
Fa niandry, niandry mafy
Ka nahatonga ahy hiantefa
Amim-pitiavana niara-nitafy

Dia niaraka teny foana,
Tsy mba te hifankafoy
Na niherina ny taona
Mbola iny nifanjohy

Ny mpanenjika nihamaro
Nefa indrisy aho haninona?
Vao maika aza saro-piaro
Sy niandry zay hambinina

Tamin'izay no nahatsapako
Fa tena mafy izany tia
Ny ranomaso nofafako
Sady indrisy aho toa nahia

Ny tsy tia tsy hanasoa
Fa ataony izay hampiady
Nefa dia vao maika koa
Nandrombo anay hibalady

Ny nifidianako ny tiako
Hiadanako any aoriana
Nikatsaka ahy ka tsy ariako
Fa hotiaviko ireny mangina

Ataokoizay hitiavako azy
Tsy hananany ahiahy
Fa ho tody amin'ny mariazy
Amin'izay dia hisy tsiahy.
--------
Rohy:
1083 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Faralisy
Nampiditra : faralisy
Daty : 08/10/2007 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125