Fitia (fenomarc)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isan'andro mifanena
Ny masontsika roa
Ny endrikao raha vao jerena
Dia mampidoboka ny fo
Hany ka tsy tanako intsony
Ny hangina tsy hanambara
Ilay Fitiavako namony
Mila anao hikarakara
Ka diso ve aho
Raha mba manam-paniriana
Hitoetra anilanao
Handray anao ho alon-tiana?
Sanatria tsy an-terisetra
No hitiavako anao
Fa fitia tsy manam-petra
Tsy mba mety mankalao
Izay tia hono adala
Asa ianao raha mino izany
Fa ny ahy kosa ry malala
Amim-pahendrena hatrany hatrany
Ny fitia tsy toy ny omby
Ka ndeha hovozonan-tady
Ny faniriana tsy mahomby
Tsy natao ho tonga ady
Ka teny ierà na no ilaiko
Teny tsotra sy mazava
Na"Tsia" na "Eny" ry lalaiko
Ny Fihavanantsika tsy ho rava!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
700 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 08/05/2009 07:48)
Misaotra...Mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenomarc
Nampiditra : fenomarc
Daty : 08/05/2009 05:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128