Sahy (FILIGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha izaho mantsy sahy
sahisahy fanahy
dia izaho lena
navembenan'
iny rotsak'oran'iny
dia nobitsihiko tao an-tsofiny :
"sakambino aho fa mangatsiaka"
nef'izaho tsy sahy
fa be ahiahy
dia or'iray mahery
resaka sy fijery
ary eritreritra nanidina
no nanafana ny fihavian'ny aizina
izaho sy ny foko anefa amin'io mangatsiaka !
dia las'izy avy eo
izaho tavela teo
tandindony sisa nandondona
s'ireo soroko nangorangorana
hikitik'indray izao ny nenina
fa nisy faniriana nafenina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
742 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FILIGASY
Nampiditra : FILIGASY
Daty : 23/07/2006 14:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
LEO
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131