NENINA (Finih)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENINA


Iny ianao no tsy hita,
Lasa tsy hiverina
Izaho irery sisa,
Tonga saina, sy manenina!

Raha iny ianao narary
Narary loatra toa nijaly ,
Tsy niasako saina akory,
Kay ianao ry Tiako efa tena ory.

Fantatrao ny zava nisy ,
Nahatonga ahy hisintaka
Hay moa tsy noho ianao , indrisy !!!
No nahatonga ilay fitiavantsika niparitaka

Indray asabotsy, niatso mamanao
Nigogogoko, nitomany, nilaza fa MATY ianao;
Akory ny hatairako, nahare izany
Tsy tafatombina intsony, avy hatrany dia nankany.

Tsy navela niditra aho anefa,
Ho vonoin drainao, lasa aho nilefa
Eny fa na ny endrikao farany aza tsy hitako akory!
Eto ambodi fasana sisa , no mijery anao matory.

Matory tsy mifoha, any amin’ny mandrakizay
Mandria _piadanana eo anilan’ ilay Ray.
Nenina, Nenina, Nenina
Nefa ianao efa lasa ary koa tsy hiverina

Finih

10/02/2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1096 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Finih
Nampiditra : finih
Daty : 10/02/2012 07:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135