Voninkazo hafa look (Flr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voninkazo hafa loko
Nalaiko teny an-jaridaina
Nampisinda ny toloko
Nampisokatra ny saina

Voninkazo hafa kely
Tena ahy fa tsy nindramiko
Ka tsy hoadinoiko velively
Fa voninkazo tena mamiko

Voninkazo tena miavaka
Notsongaiko tao anatin'ny maro
Voninkazo nanaitra ny fitiavako
Ka tsy tiako hifangaro

Nolalaiko io vononkazo io
Sanatria tsy nataoko fanalanazy
Fa nosasako mba hadio
Ka ny foko no nataoko vazy.

Flr/15-01-2015
--------
Rohy:
1723 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Flr
Nampiditra : fidelraza
Daty : 19/01/2015 15:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136