You are here: home > Vetso

ADIDY - Fredy Jaofera


ADIDY



Tsy fandaniam-potoana
izao raha tafahaona
matetika isan’andro
sy matin'ny hainandro
isika rehetra rehetra !...
Fa mbola hisy fetra
'ty tolona iarahana
tomefy fangatahana
azy foana mba hiala,
Na miziriziry adala !





Tsy fandaniam-potoana,
na ahoana na ahoana ;
na saika ho fanimpanina
tsy nahita hohanina,
tsy nahita avaly
fa mba nijalijaly
nitaky fitokonana,
f’efa niombonana
‘zao tanjona tadiavina
hanova izay nodiavina !





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha