ADY SEZA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY SEZAAdy seza no mila hahamaika
ny mpanao politika,
koa aiza no ho maty paika
ny tsara ho antsika.
Ady seza no anakorontanana
fiainam-bahoaka,
ka topatopazo fa tsy fiadanana
'zay zava-mivoaka.
Ady seza no kendrikendrena
handrosoan'ny antoko,
ka dinidiniho fa toa mampivena
sy mandoto ny loko !
Ady seza no mampanahirana
ny toe-draharaha,
ka oriory fa tsisy mangirana
sy esoin'ny vazaha.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Politika - Tanindrazana
Hevitra mandeha
rhina
(
07/09/2009 05:36)
dia mankasitraka ny mpanoratra
tena marina mits zany. Adi seza ts mis farany aiza ny vahoaka @ zany ry mpanao politika !!!???
tena marina mits zany. Adi seza ts mis farany aiza ny vahoaka @ zany ry mpanao politika !!!???
Mysento
(
10/09/2009 11:24)
Ady seza misy fona,ary ihisy fona,fa raha adi-hevitra entina hampandroso,mbola ts araka ndry zalah