You are here: home > Vetso

AFRIKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

AFRIKA




Mampahonena
fa tsisy famonjena
ny mahazo ny Afrika
tsy lavitra antsika
ao anaty hanoanana
tsy misy fiadanana ;
ao anaty hotakotaka
mampirongatra rotaka ;
ao anaty adiady,
fanimpanina mitady
ary ao anaty mosary,
tsy tsara amin'ny sary !




Mampahonena
ka dia mandena
ny masoko roa
ny nahita avokoa
ireto vahoaka
be nitsoatsoaka
isan'andro vaky izao,
ka misaora ianao
raha manam-bintana
sy feno ny kintana
hanilo tsy hisy farany
fa sento ny anjarany !




Fredy JAOFERA

Sokajy : Politika

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 22/01/2008
Mpamangy : 1025
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HOY
TSY ATAOKO SAKANA
INDRAY ANDRO IZAY
REHEFA MATIN-KAMBO
NY HAZOKO
HALAVIRANA
VERY LANJA
TADIAVINA
REVO
TSY NAHASEHAKA