AHY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHY



Ny fankatoavana
fa ahy ianao
no fahasoavana
tsisy raorao.



Ny fahafantarana
fa ahy ianao
no hasambarana
ka hirahirao.



Ny fahatsapana
fa ahy ianao
no efa nahalalana
tsiky vaovao.



Ny fieritreretana
fa ahy ianao
no nandrafetana
ny tiana izao.



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1031 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126