You are here: home > Vetso

AINGAMPANAHY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




AINGAMPANAHY





Aingampanahy ny alahelo
monina ombieny ao am-po
rako-tomany sy rotsa-delo
vao marary ahy ny manjo.




Aingampanahy ny adiady
tsy nitsahatra foana fahiny
nanidy tokoa ny vavahady
ho tretrika tsy misy tsiny.




Aingampanahy ny malala
mamoha ny fitiavana lava
ho an'ireo izay te hahalala
ny marina ka mahasoava.




Aingampanahy ny rehetra
mamelona ny tanjona anio,
mandositra irony tsetsetra
fa miravaka soa madiodio.




Fredy JAOFERA