AKANJO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKANJO




Akanjom-pahatsorana
no eto hatrany itafiana,
n'aiza n'aiza re izorana,
hoy aho am-pitsikiana.



Akanjom-pahendrena
mampihaja lalandava
mbola sarotra hosena
raha ambara mazava.



Akanjom-pilaminana
tsy mba tia korontana
fa maro fanambinana
tsy mba hay ongotana.



Akanjom-pahalemana
manalavitra irony ady
tsy tia ny rendremana
rehefa te hanadihady.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
80 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0161