ALAIM-PANAHY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAIM-PANAHY





Alaim-panahy aho indraindray
hitaditady anao indray
n'aiza n'aiza izany,
hamerina any ho any
ny andro izay taloha
niarahantsika roa
raha fony hoe nianarana
ny tiana ho hasambarana.




Alaim-panahy aho ka aiza
ianao fa ny mitaiza
feno fahatsiarovana
azontsika arovana,
azontsika atambatra
amin'ny fo tsy miambatra
ho tonga paradisa
sy ny sisa sy ny sisa ?



Alaim-panahy aho ka tiako
'zay midona ho fijaliako
fa nofy tsy ho tanteraka,
na dia nampiteraka
sy mbola nampitsiry
ilay fitia tsy firy
fony isika niaraka
fa tsy tafasaraka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1581 0
Commentaires
rake ( 24/08/2006 09:54)
Mahavariana ny amoahanao an-teny ny ao am-po toy izao ,izay mpahazo ny ankamaroan'ny olona ,zay tsy hay ambara! Félicitations!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 24/09/2005 16:21
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011