ALINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALINA





Reradreraky ny asa,
mivadibadika tokoa ;
mieritreritra ny lasa,
tsy matory fa mifoha.



Misaintsaina vetivety
ny ampitso eto indray
mbola hanao ny mety
sy ny adidy ranoray.



Mangingina samirery
sy feno sento mihitsy,
toa mamelona ny fery
sy ny ratra vitsivitsy.



Mihevitrevitra ny tsara
sy ny rehetra mahasoa
hahamiratra ny anjara
isan’andro vao mifoha.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1133 0
Commentaires
Zozoro ( 01/06/2013 15:15)
Rahampitso indray dia ahoana ?
...
Mampiady saina mampaory
Endrey izaho ity reraka ...
Eny indrisy ... lavi-tory...
Ankinana amin'iza moa
Raha noana ireo na mitomany ?
Tsy kasihin-drampitondra
Fa adiko, hono, izany.

Izaho anefa tena trotraka
Eny ambivitra ilay aina
Kanefa ireto sombiniaiko
Mila ahy hatrany hatrany
Izaho anefa ity jereo
Zara indrisy raha mitsangana
Mihovitrovitra ny tenako...
Ny fanahiko mimaona...

Andriamanitra ô !
Ny rahampitsonay ahoana ??

Zozoro
3004 ( 01/06/2013 17:26)
Inona no lohatenin'io tononkalo io, Zozoro ?
Zozoro ( 01/06/2013 18:41)
Ny lohaten'io Fredy dia hoe : NY RAHAMPITSO.

"adin-tsina lava izao e!"


Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119