AMBIVITRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBIVITRA



Ambivitra ny fanantenana
hisondrotan'ity firenena,
kanefa eto ihany, mazàna,
mitady izay hoe fandresena.


Ambivitra ny fahatokisana
hahasambatra ny vahoaka,
kanefa tsy hanamafisana
ny kizo ka mba hitsoaka.

Ambivitra ny tena finoana
hampiova ny zavatra anio,
kanefa izay handrosoana
no tanjona ka tadidio !


Ambivitra izay fanavotana
tonga sy hita ho fitiavana,
kanefa tsy hany korontana
no lalana hahatongavana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118