AMBONY NOHO NY VOLA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBONY NOHO NY VOLA





Ambony noho ny vola
ny fitiavan-tanindrazana
ka tsarovy fa tsy ho tola
raha mila fahombiazana.




Ambony noho ny vola
ny fanompoana ny tany,
na dia mafy mahanjola
ny fahantrana sesilany.




Ambony noho ny vola
ny fanandratana azy ery
ho tena fiainana midola
zary ho maro mpankafy.




Ambony noho ny vola
ny vahoaka tsy hita isa
izay oriory diso angola
sy tsy mahita paradisa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
695 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114