Amiko ny vady.... - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
Amiko ny vady raha tsorina fa tsy afenina
dia azoko amborahana ny sarotra tenenina;
amiko ny vady raha sendra ka tsy mirana
dia afaka hampisinda ny zava-manahirana;
amiko ny vady raha malama no irobohana
dia azoko itokiana sy vonona hifanohana;
amiko ny vady raha lavo foana sy misesy
dia afaka hampiarina ho olona mpandresy;
amiko ny vady raha nofidina sy notoavina
dia tokony hahay hanaja ny efa notiavina;
amiko ny vady ra’tsy mankasitraka ny atao,
manan-tsaina hanitsy fa tsy avy dia mandao;
amiko ny vady raha tsy mendrika ny hohosena
dia loharanon’ny taranaka no sady volamena;
amiko ny vady raha toa isaorako ny Lanitra
dia azoko inoana fa avy amin’Andriamanitra;
amiko ny vady ra’andrandraiko ho hasambarako
dia mazava loatra fa hitondra koa ny anarako.
Hevitra mandeha
moi (03/12/2003 07:37:08)
Mandinika aho sao mbola misy adino ...
Na izany aza :
Tsy ataoko tsianjery fa mba ho tanterako amin'ny vadiko.
mi12 (19/09/2005 09:37:13)
ireo mintsy le tiako holazaina fa tsy voavoako mintsy! misaotra
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : lanto
Daty : 22/11/2003
Mpamangy : 3501
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
MISAOTRA NY MARAINALITERATIORAN'NY MASO
REHEFA MAHORY
TSAROAKO FOANA
NY POETY (2)
NY FAHATSORANA
SAFIDIM-PIRENENA
SAKAFON-TSAINA
TSY MISY AFA-MAINA
AZA IFIKIRANA