AMIN'NY EZAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY EZAKA





Amin'ny ezaka
mampitofezaka
no hisondrotana
rehefa hiontana.




Amin'ny ezaka
tratran'ny fezaka
rehefa ela loatra,
tsy afa-manoatra.




Amin'ny ezaka
tsy maha-bezaka
fa dia fikirizana
rehefa tohizana.




Amin'ny ezaka
tsy misy vezaka
fa fahombiazana
vao indro tazana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
634 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117