You are here: home > Vetso

AMIN'NY FAHENDRENA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


AMIN'NY FAHENDRENA





Amin'ny fahendrena
no andrefesako azy
fa tsy amin'ny vola
toa tsy hay fefena,
na hoy izy : " otazy 
raha maniry hidola."




Amin'ny fahendrena
no anavahako azy
fa tsy amin'ny hery
mbola mahasorena,
na hoy izy : " fohazy 
fa laza tsy mamery ! "




Fredy JAOFERA






Hametraka hevitra

Midira aloha