AMPIASAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPIASAO




Ampiasao ny fitiavana
hampirindra itony tany
sy ho tontolo mavana
no hipoitra aok'izany.



Ampiasao ny fifaliana
hampisosa irony tsiky
hampiranga fitahiana
tsy nitsahatra nikiky.



Ampiasao ny filamatra
hivoarana raha tsorina
ho toky tsy mitsahatra
rehefa tena mafy orina.



Ampiasao ny fiadanana
hampitony ny eritreritra,
hoy aho, ho famaranana
raha toa tsy voahevitra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
174 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118