You are here: home > Vetso

ANDEFIMANDRY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

                                                                                      
ANDEFIMANDRY



Moa ve fantatrao ny faniriako izay tavela,
nofiko mangina sy hetahetany  hatry ny ela ?
Moa ve fantatrao no nivavahako isan’andro,
nataoko fangatahana vao mipoaka misandre ?
Moa ve fantatrao ny anjara tiako indignera
hipetraka ho ahy sy tsy afaka ny hifindra ?
Moa ve fantatrao no nokoboniko ato am-po,
kasina tsy hotenenina kanefa dia nifosa ?
Tsy inona tsy akory fa ny hanana ny vady
afaka hampiravo rehefa mafy ny mianjady.




                                  Fredy JAOFERA
                                     (1993)

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 20/03/2009
Mpamangy : 571
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO