ANKALAZAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKALAZAO




Ankalazao amin'ny mozika
izato fetin'ny krismasy
fa mbola fety mahasariaka
tsy ilana poa-basy !...



Ankalazao amin'ny hirahira
fa Mpanjaka no ho avy
izay tsy angano re na arira,
hoy aho mba miangavy.



Ankalazao amin'ny hazavana
fa Mesia no ho teraka
ka fenoy hatrany ny fiderana
sy aoka tsy ho reraka.



Ankalazao amin'ny anjomara
fa Tompo no hitranga
hisehoana anjely hanambara
eny an-danitra manga.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
432 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134