ANTON'NY FO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTON'NY FO





Ny anton'ny fo
dia saro-takarina,
na tsapa fa to
ny zavatra anarina.




Ny anton'ny fo
dia mamelom-pitia
tsy miamboho
fa mahery ho doria.




Ny anton'ny fo
dia tsy ho voarefy,
sady tsy ho lo
na ambara ho lefy.




Ny anton'ny fo
dia tsy azo kianina,
rehefa tsy voa,
mbola hahafanina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
455 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0158