ANTSIKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSIKA





Antsika, Gasikara,
ka aza potipotehina
na mila ho rotehina
fa tsy zavatra tsara !



Antsika, Gasikara,
ka aza ravaravana,
na tsy isalasalana
ny tianao hambara.



Antsika, Gasikara,
ka aza mifandrafy,
na tsaroana mihafy
fa haharatsy fiafara.



Antsika, Gasikara,
ka aza ampiadiana
n’oviana n’oviana,
ny maro voazara.



Antsika, Gasikara,
ka aza lotolotoina
fa tsy azo soloina
no manan-tantara.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
985 1
Fans: Zozoro
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114