AO ANATY BAIBOLY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO ANATY BAIBOLYAo anaty baiboly
dia misy ala olana
mandresy devoly,
na tsy mivolana.
Ao anaty baiboly
raha toa ananana,
mahay mamboly
ny tena fiadanana.
Ao anaty baiboly,
mivoy hafaliana
tsy mamolivoly
vao mba vakina.
Ao anaty baiboly
misy toky mihitsy
ka aoka tsy hiholy
na mba hitsitsy !
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - Fiaraha-monina - fiainana - fananarana - Fampaherezana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy - ahy
Fans:
Ulrichandry
