AO ANATY FAHANGINANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AO ANATY FAHAGINANAAo anaty fahanginana
no misy an'Andriamanitra
vao ny fahamasinana
no ho hitanao hamangitra.
Ao anaty fahanginana
no hanamboarany ny tany
vao be fahamarinana
irony efa vavakao hatrany.
Ao anaty fahanginana
no hanovany ny hakiviana
vao izay fanambinana
hirotsaka eo mangingina.
Ao anaty fahanginana
no hipoiram-pahagagana
rehefa nanankinana
amin'ny Ray ny fanovana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
