AHATONGAVANY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHATONGAVANY





Arakaraka ny mahakivy
no ahatongavan'ny fahakiviana 
ka mety hahararaka ivy
sy hiafara amin'ny fanaviana.




Arakaraka ny maharesy
no ahatongavan'ny faharesena
tsy nampoizina hisesy
rehefa oriory sy toa sorena.




Arakaraka ny maharavo
no ahatongavan'ny haravoana
fa tsy ny zava-nandavo
nanelingelina tsy handrosoana.




Arakaraka ny mahatony
no ahatongavan'ny fitoniana
ka tsy hamelona intsony
'reo sedra mafy sy fijaliana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
497 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 13/06/2020 14:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169