You are here: home > Vetso

ATAO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



ATAO




Atao ny tsikitsiky
lazainy fa tsy tiany
ka toa namikiviky
sy nikonjo no niriny.



Atao ny hirahira
lazainy fa tsy ilainy
ka nahay namiravira
no sady noratrainy.



Atao ny safosafo
lazainy fa tsy izany
ka indro ange tarafo
fa tezitra avy hatrany.



Atao ny sangisangy
lazainy fa tsy mety
ka indro fa be nangy
sy tsy afaka nifety !




Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha