ATSANGANO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATSANGANO




Atsangano ny saina
fa manana avy isika
‘zay ela nolovaina
sy hany tsara bika !



Atsangano ny saina
fa ny andro ity fety,
ka aza malaindaina
f’izany re no mety.



Atsangano ny saina
fa mari-pahafahana
mendrika hohajaina
sy hankasitrahana.



Atsangano ny saina
fa ho an’ny firenena
mamy eto na lalaina
sy zavatra efa harena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1529 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116