You are here: home > Vetso

ATSY HO ATSY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

ATSY HO ATSY




Anikeheo
nisy feo
nitoreo,
ry zareo !




Fa izao
misy vao
‘zay natao
ho lalao.




Ary atsy,
na izatsy,
hahazo vatsy
tsy hisy ratsy




Hahazo teny
soa ombieny
sy ho reny
lavareny.




Hahazo laza,
tsy hivaza
fa sahaza,
na ela aza !






Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

Manatsiala (10/03/2009 19:53:07)

tsara ka...
azo fantarina ve ny mailaka an' Fredy JAOFERA azafady

3004 (11/03/2009 00:07:12)

Miarahaba anao, Manatsiala.

Ity no mailaka
fredy_jaofera@yahoo.fr

Raha mila boky mba nosoratako ianao, andefaso ny anaranao manontolo sy ny adiresinao aho.

Ity no site-ko

http://www.freewebs.com/fredyjaofera/


Veloma,

Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha