AZA AMPANGININA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AMPANGININA




Aza ampanginina
iny vazontsika iny
fa rehefa fintinina,
mamy ankehitriny.



Aza ampanginina
ny feon'ilay valiha,
tendreo hofihinina
ao anaty ilay fitia.



Aza ampanginina
ny tsara nahaliana
fa andry nankinana
hiteraka hafaliana.



Aza ampanginina
ny bitsiky ny tany,
aoka hobanjinina
hamelona ny any.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/08/2024 18:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775