AZA FALY MITSIKERA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA FALY MITSIKERAAza faly mitsikera
ny asa vitan'ny hafa
rehefa tsy nisy dera
nanentana ny tafa !
Aza faly mitsikera
ny bainga tsikaritra
rehefa olo-mitavera
no nisy ka tsy aritra.
Aza faly mitsikera
ny vita porofo tsara
rehefa mba nianjera
omaly no voambara.
Aza faly mitsikera
ny harena sarobidy
rehefa mangorera
tia mitsoaka adidy.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
