AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MIARAKA AMIN'NY ADALA





Aza miaraka amin'ny adala
dia hahita fahasambarana,
hipoiran-tsoa mijoalajoaĺa
tsy manary raha ianarana.




Aza miaraka amin'ny adala
dia hisosa ho azy ny tsara,
hoy aho eto, tsy misalasala
to foana hatrany am-para.




Aza miaraka amin'ny adala
dia mora handray fitoniana
hitoetra etoana fa tsy hiala,
na rahoviana na rahoviana.




Aza miaraka amin'ny adala
dia hilamina ny zava-maro,
raha toa ange tsy mahalala
an'izany ka ireo, atambaro !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
729 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115