AZA MITSARA (2) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MITSARAAza mitsara
tsy hotsaraina
no azo ambara
rehefa miaina.
Aza mamely
tsy hovelezina
no hafatra kely
injao fehezina.
Aza mifosa
tsy hofosaina
ny efa tontosa
nandrandraina.
Aza mialona
tsy hialonana,
aoka havalona
ka hotakonana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
