AZO ASIANA HEVITRA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZO ASIANA HEVITRA





Azo asiana hevitra
ny fihaonana indray,
na tsy afa-mirehitra
ny fitiavantsika izay.





Azo asiana hevitra
ny hiaraka hisakafo,
ny mifampandefitra,
toetra iray mba lafo.




Azo asiana hevitra
ny hifampinamana e,
na inona nahatezitra
tamintsika teny ange.




Azo asiana hevitra
ny hiombona etoana
ho mamy sy tsy efitra
ny fiainana hirosoana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
36 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 08/09/2026 06:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138