BARAMBA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BARAMBA




Manelingelina ny fiara
no tia mibahana arabe,
izy ireny raha tsy tsara
hita eny mandehadeha.



Tsy matahotra olona avy
amin'izay asa tanterahina,
fa mainka aza te hiangavy
hanan-toerana horesahina.



Tsy mifidifidy holemana
rehefa iny natsaka rano
na mitondra fahalemana
fa mandoza an-kitsirano.



Tsy mety lalaovina eny
raha feno be ny entana
sao handratra lavareny,
hoy ny fo izay mientana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1423 0
Commentaires
iaboba ( 22/09/2009 10:24)
mba voa ndray ny barambiste. eeeeeeeeee velopo tsazo avela hamelomana ny tena, ko atao akory, karama ny azy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 15/09/2009 22:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124