BE ANIO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BE ANIO




Be anio ny fisehoana
fa lavi-pandrosoana
ny fiainam-bahoaka
tsy mety tafavoaka.



Be anio ny fitokanana
nantenaina fiadanana
fa vao vita nefa izany
dia potika eny ihany.



Be anio ireo rehareha
fa izay atao mandeha
anefa moa dia topazo
ny mitrongy lany vazo.



Be anio ny fiheverana
fa olo-manan-toerana
anefa rehefa ifotorana
dia kely fahamatorana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
560 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119