Ampidiro aloha ny tenimiafina
BE SIASIA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BE SIASIANy olombelona be siasia
fa ny Ray dia tsy miova :
mambomba ny tena fitia
mbola izao anjara lova.
Ny olombelona be siasia
fa ny Ray dia vatolampy
azo antoka fa tsy hikodia
sy misy toky tena ampy.
Ny olombelona be siasia
fa ny Ray dia fiadanana
mameno ny ora ho doria
hampirindra fihavanana.
Ny olombelona be siasia
fa ny Ray dia Ray tokoa
mahavonjy re ! Matokia
ary tsy manam-paharoa.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fiderana - ahy - fananarana - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
