You are here: home > Vetso

CORONAVIRUS - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


CORONAVIRUS





Areti-mangina
mampihorohoro
feno haratsiana
no indro mijoro.




Areti-mamely
ny tany rehetra,
saintsaino kely
fa te hitoetra.




Areti-mamery
ny olona maro,
na inona hery
misy, fantaro !




Areti-mamono
mila ny vavaka,
tsy afa-mifono
ito fangataka.




Fredy JAOFERA
( Martsa 2020)



Hametraka hevitra

Midira aloha